Politique

Tanàna vaovaon-dRajoeilina Hanaja ny lalàna mifehy ny fananan-tany ve ?


  • Talata 15 Janoary 2019

Hiditra amin`ny fanaovana tanàna vaovao isika araka ny fampanantenana nataon`ny filoham-pirenena vaovao nandritra ny fampielezan-keviny.

 

 Raha ny loharanaom-baovao voaray, efa mihetsiketsika ny minisiteran`ny fanajariana ny tany sy fananan-tany amin`ny famaritana ny toerana hanaovana azy.  Raha ny fantatra, eny Itaosy sy Ambohidratrimo no hitoby ireo trano haorina. Tsy vao izao kosa anefa no nisy izy io. Any amin`ny tany mandroso, moramora kokoa ny manamboatra noho ny manatsara tanàna efa misy.  Olana eto Maadagasikara amin`ny resaka fananan-tany anefa dia misy olona tsy afaka namaritra sy nanoratra ny taniny amin`ny anarany. Misy koa voalaza nandova ombieny ombieny ny ray aman-dreny fa tsy nanao fanoratana ankoatra ny atao hoe “cadastral”. Ny lalàna ihany koa  dia mamaritra ireo fepetra horaisin`ny fanjakana manoloana ireo tompon-tany izay efa manana trano mipetraka amin`ireny toerana ireny. Hiroso amin`ny « Expropriation pour cause d`utilité publique » ny fanjakana. Tsiahivina fa niteraka resabe ny fanamboarana lalàna vaovao nokatsahin`ny Fitondrana Rajaonarimampianina natao toy ny teny By-Pass na koa teny Ampitatafika izay nahatafiditra tany na tranon`olon-tsotra.  Ny lalàna milaza fa tsy azo esorina eo ny olona raha tsy vita ny fanorenana azy aminy izay ho vidin`ilay tany na trano manontolo (dédommagement total), izany hoe tombanana ny vidin`ny tany, trano ary izay zavatra misy eo amboniny izay vao azo esorina ilay olona. Tsy maintsy honerana ireo olona manana “titre de prorpiriète” na “cadastre” fa ahoana kosa ireo olona tsy manana izany ? Hohajain`ny fanjakana ve ny fisian`ilay olona eo ? Hanana tetibola hatokana ho an`izany ve ny fanjakana ? Faniriana aloha mba mba ho azon`ny Malagasy rehetra vidina izany trano anatin`ny tanàna vaovao izany fa tsy hatokana ho an`ireo manan-katao toy ny trano mora nandritra ny tetezamita.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT