Namoaka fanambarana omaly ry zareo avy eo anivon’ny tambajotran’ny fokonolona mitantana ny harena voajanahary na ny Tafo Mihaavo fa tsy foto-kevitr’izy ireo ny hanohana kandida na antoko politika.
Tsy hanao izany izahay, hoy izy ireo. Mihetsiketsika ao anatin’ity tambajotra mamondrona solontenam-pokonolon’ny Faritra 22 ity moa ireo mpanakanto vokatry ny tany toa an-dry Olombelo Ricky sy Théo Rakotovao ary ilay kandida ho filoham-pirenena, Zafimahaleo Rasolofondraosolo na Dama. Na izany aza, handray anjara hatrany amin’ny raharaham-pirenena ary manan-jo hifidy izay kandida maharesy lahatra azy amin’ny fifidianana amin’ny maha olom-pirenena azy ny mpikambana tsirairay. Vonona izahay hanampy ny fitondram-panjakana amin’ny fiarovana sy fitantanana ireo harena voajanaharin’i Madagasikara. Tafiditra ao anatin’izany ny fanampiana amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana toy ny fakana an-keriny.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.