Hiara-kiasa amin’ny mpanao gazety amin’ny fampahafantarana an-karihary ny asany sy amin’ny fanadihadiana fikarohana kolikoly ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly manomboka izao.
« Araka ny anarany dia mahaleo tena ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly na Bianco », hoy andriamatoa Jean Louis Andriamifidy tale jeneralin’ity sampan’asa ity omaly nandritra ny fihaonany tamin’ireo tompon’orinasa mikirakira haino aman-jery sy gazety an-tsoratra niaraka tamin’ireo tonian-dahatsoratra teny amin’ny hotely Ibis teny Ankorondrano. Tao anatin’ny herintaona izay nandraisany ny fitantanana ny Bianco dia nanamafy ny tenany fa tsy mbola nandray faneriterena na an-kolaka na mivantana avy tamin’ny Filoham-pirenena na ny praiminisitra momba ny asany Atoa Jean Louis Andriamifidy. Tsaratsara kokoa raha tsy miankina amin’ny fiadidiana ny Repoblika intsony ny Bianco mba hanehoana amin’ny vahoaka manontolo ny fahaleovantenany, hoy izy.
Tao anatin’ny folo taona niforonany mantsy dia tsy tratra ny tanjona notratrarina tamin’ny ady amin’ny kolikoly ataon’ity sampan’asa ity. Vao mainka aza niroborobo taorian’ny krizy 2009 ka nahatonga azy ireo hampihatra paik’ady vaovao manomboka izao.
Trondro vaventy
Hametraka fiaraha-miasa matotra amin’ny mpanao gazety ny Bianco manomboka izao ka tsy hiandry intsony ny fitarainana ho tonga eny aminy fa raha vao mahita trangana kolikoly ao anaty gazety na eny amin’ny haino aman-jery dia hanokatra fanadihadiana avy hatrany. No marihin’ny Tale jeneralin’ny Bianco anefa fa hatao ao antin’ny fanarahan-dalàna tsara ny fomba fiasa ka hohajaina ny zon’ny olona rehetra hahalala vaovao saingy tandremana toy ny anakandriamaso ihany koa ny zo fenon’ny tsirairay alohan’ny fanamelohan’ny fitsarana azy (présomption d’innocence). Tsy maintsy hajaina koa ireo fepetra sy dingana mifehy ny asan’ny Bianco. Matetika mantsy dia ireo kolikoly madininka ihany no hita sy voaresaka fa ireo « trondro vaventy » tsy tratra mihitsy noho izy ireo misy mpiaro, hoy hatrany Atoa Jean Louis Andriamifidy izay mpitsara rahateo. Tsy hikombonkombona amin’ny fampahalalam-baovao noho izany intsony koa ny Bianco fa hiezaka hanova fomba fiasa ka hampahafantatra izay asa ataony amin’ny alalan’ny gazety sy ny dingana izay mety hampikatso ny fanadihadiana ataon’izy ireo rehefa sendra ireny raharaha lehibe mahakasika olona ambony ireny. Ho an’ny mpanao gazety kosa dia andrasana amin’izy ireo ny fanaovana fanadihadiana tena marina ka hiavaka tsara amin’izay fotoana izay ny fitarainana sy ny fanaratsiana olona be fahatany sy ny fanadihadiana matihanina. Ankoatra ny fitaterana tranga dia hiarahan’ny Bianco sy ny mpanao gazety miasa ihany koa ny fitaizana sy ny fanabeazana ny fiarahamonina amin’ny ady amin’ny kolikoly. Fandaharan’asa iarahana amin’ny mpamatsy vola vahiny ity tetikasa vaovaon’ny Bianco ity ary efa misy ny sora-bola hiasana amin’izany.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.