Herintaona izao no naha lehiben’ny faritra atsinanana an’Atoa Talata Michel, raha efa teo anivon’ny faritra hatrany izy teo alohan’izay fa nihazona andraikitra hafa. Herintaona ny fampandrosoana ny lafiny tontolo ambanivohitra sy ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombona antoka ary ny fijerena ireo tanora nihoitra tamin’ny zavatra nataony.
Nahitam-bokany izany ny taona lasa, anisan’ireny ny nanokafana toeram-panofanana tanora niala an-daharana tamin’ny fianarana ho lasa tantsaha matihanina tao Niarovala Caroline Vatomandry sy Toamasina II niarahana tamin’ny “region Basse Normandie”. Ny fiaraha-miasa tamin’ny PROSPERE nanofanana tanora 102 tao Mahanoro, 75 tao Toamasina II momba ny asa tanana voakaly, izay nanamora ny fitadiavana lalam-barotra ho azy ireo. Nisy koa ny fanatsarana ny fidiram-bolan’ny kaominina tamin’ny fiaraha-miasa tamin’ny talem-paritry ny varotra, teo amin’ny fanatsarana ny fampidirana ny taberim-bidy sy ny “taxe professionnelle”. Ny taona lasa ihany koa dia nandefa mpianatra 30 tany Torkia ny faritra atsinanana sy ireo mpianatry ny oniversiten’i Toamasina maromaro niofana tany Rhone Alpes. Ny tena zava-dehibe ny fandevonana ny “ammoniaque” ny ZEREN niarahany tamin’Ambatovy izay loza nitatao tao Toamasina tao anatin’ny 30 taona. Nisedra olana anefa ny faritra atsinanana tao anatin’ny herintaona tamin’ny fitantanana ny teti-bolany, izay niha sarotra noho ny tsy fananany mpanolotsaim-paritra izay naaton’ny fitondrana tetezamita, teo koa ny olan’ny delestazy sy ny firongatry ny tsy filaminana nateraky ny haizin’ny herin’aratra. Manana tanjona goavana ny faritra atsinanana amin’ity taona 2015 ity, ny voalohany amin’izany araka ny nambaran’Atoa talata Michel dia ny famerenana ny tany tan-dalàna fa nanjaka loatra ny gaboraraka noho ny zava-nisy ara-politika niainan’ny firenena. Eo koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny fanatsarana ny fidiram-bolan’ny tantsaha, resaka katsaka ao Vatomandry, “hanitra” samy hafa ao Mahanoro sy Vatomandry ary resaka tantely ao MAVAM. Ny fanampiana ny tanora mahavita zavatra, ary ny fanatsarana hatrany ny fidiram-bolan’ny kaominina amin’ny alalan’ny fanatsarana ny fampidiran-ketra.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.