Politique

Tahotra an-dRavalomanana Hatao PDS ny mpitantana an’Antananarivo renivohitra ?


  • Alatsinainy 23 Febroary 2015

Inona no hitranga taorian’ny nitsipahan’ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana ny fizarazarana an’Antananarivo Renivohitra ho Kaominin’ny Boriborintany miisa enina ? Izay indray izao no fanontaniana miverimberina eny ambavan’ny vahoaka eto an-drenivohitra

. Ny re dia tsy hipetra-potsiny ny fanjakana, izay efa nanao ny fomba rehetra nampandany iny volavolan-dalàna 2015-004 mikasika ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana manana sata manokana iny teny anivon’ny Antenimieram-pirenena ary nitety Boriborintany nanazava ny votoatiny ary efa niketrika ny didy fampiharana azy iny mihitsy aza no iny nidofotra tampoka iny. Raha ny tsilian-tsofina dia zavatra roa no mety hitranga. Voalohany dia hahemotra ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina hiandry ny fanitsian’ny governemanta io volavolan-dalàna 2015-004 io ary haverina hodinihina eny amin’ny Antenimieram-pirenena. Faharoa dia hotazomina ny datin’ny 17 jolay 2015 hanaovana fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina amin’ireo Kaominina manerana ny Nosy ankoatra ireo Kaominina manana sata manokana, dia Antananarivo, Sainte Marie ary Nosy-Be izay hanandrena delegasiona manokana hitantana ny tanàna. Tranga izay tsy vaovao fa efa niseho tamin’ny 2007, PDS no notendrena tany Nosy-Be, Sainte-Marie ary Tolagnaro. Ho an’Antananarivo manokana dia mety tsy hahagaga io fanendrena PDS io, satria tsy te hanome ho eo ampelan-tanan’ny mpanohitra an’ity renivohitr’i Madagasikara ity ny fitondrana HVM, ka ny manendry PDS no metimety aminy. Raha tarafina tamin’ny fifidianana depiote farany teo mantsy sy ny toe-draharaha politika amin’izao fotoana dia mazava be ny hanaovan’ny kandida harotsak’i Marc Ravalomanana telimoka izay mpifaninana aminy eo. Ny tantaran’ity renivohitra ity rahateo dia maneho mibaribary fa mpanohitra hatrany no nitantana ity tanàna ity. Misabadidaka ankehitriny ny HVM, izay nitetika ny hanao kajikajy tao ambadiky ny fizarana enina an’Antananarivo renivohitra.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT