Mitohy ny lalao maloto hamelezana an’i Marc Ravalomanana toy ny fizarana gazety feno fanaratsiana ranoray azy tamin’ireny fifidianana ireny. Tazana teny amin'ny manodidina an'i Mahamasina sy Anosy omaly ireo mpizara ny gazety "Safidiko Madagasikara”,
hivoizana fankahalana sy fandemen-tsaina ny olona tsy hiara-dia aminy hitaky ny marina sy ny rariny eo anatrehan’ny hosoka ara-pifidianana sy ny familiviliana safidim-bahoaka. Efa natao io nandritra ny fampielezan-kevitra ary mitohy ny adin’ny kanosa. Ny fanaratsiana no natao fitaovana tamin’ny haino aman-jery mpanohana an-dRajoelina rehefa tsy hita izay fomba nanatsarana ny fanjakana tetezamita, izay ny halatra, ny kolikoly, ny fandrobana harem-pirenena,… no tena nisongadina tao. Nalefa ny fandranitana adim-poko sy ny fampiadiana an’i Marc Ravalomanana amin’ny any amin’ny faritra, saingy mba inona moa no vitan-dRajoelina tany amin’ireny ? I Marc Ravalomanana no nanao ny lalana mihazo an’Antsiranana, Mahajanga, Toliara,… an’arivony kilaometatra. Ny vahoakan’Antananarivo indray izao no isan’ny lemena saina amin’io fanaratsiana satria fantany tsara fa tsy nampandany azy, ary nanaporofo fa tena mamim-bahoaka ny tenany fa tsy araka ny nolazaina nanomboka ny 2009 fa naloam-bahoaka. Karohina ny hevitra tsy hitiavan’ny olona azy sy hanakiviana ny vahoaka tsy hitaky ny fahamarinana. Voizina ny hoe mpanakorontana, saingy tsy mbola nisy angamba teto tranombarotra iray voaroba sy voadoro tamin’ny hetsi-pitakiana samihafa nataon’ny zanak’i Dada ary ny mifanohitra izany kosa ny an’ny an-kilany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.