Politique

Tahan`ny mpifidy Mihena isaky ny fifidianana, hoy ny CENI


  • Talata 14 Aogositra 2018

Mitohy hatrany ny fampiofanana entin`ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) mba hanatsarana hatrany ny fanomanan`i Madagasikara ny fiatrehana fifidianana atao amin`ity taona ity.

 

Nisy ny fiofanana nomen`ny teo anivon`ny CENI Madagascar sy ny EISA an`ireo rantsamangaikan`ny CENI any amin`ny faritra entina hampiakarana ny taham-pahavitrihan`ireo mpifidy hanatanteraka fifidianana ary anisan`ny nisitraka izany ireo sekretera maro samihafa eny anivon`ny renivohi-paritra itsinjaram-pahefana. Mbola ilana ezaka be ny fanentanana ho an`ny mpifidy handray anjara, hany ka mampalaina azy ireo handray anjara, hoy i Fano Rakotonirina, mpanolotsain`ny CENI, ka mampihena ny tahan`ny mpandray anjara. Tamin`ny taona 1991 no nisy taham-pandraisana anjara   hatramin`ny 65%  saingy tsy mitsahatra midina izy io. Raha tamin`ny taona 2013, hoy ity mpanolotsaina ity, betsaka no tsy nanao fandatsaham-bato ka zara raha nahatratra hatramin`ny 50% sady tsy ampy ny fampahafantarana ny olona ary ny lalàna koa tsy manery fa hoe adidy no mifidy. Notsindriny manokana fa miankina amin’ny famoahan`ny fitondram-panjakana ny didy aman-dalàna indray no ahafahana mamoaka ny lisi-pifidianana.  Efa nanao dingana ny CENI toy ny fandefasana ny taratasy teny amin`ny HCC sy teny anivon`ny fitsarana mba ahafahana mikitika ary manamboatra ny lisi-pifidianana. Ny lalàna taloha dia nilaza fa vao tonga ny fanentanana an`ireo mpifidy dia misokatra 48 ora aorian`izay ny lisi-pifidianana ary tsy mihidy raha tsy dimy andro aty aoriana. Ny lalàna vaovao kosa dia manambara fa mihidy tamin`ny 15 mey ka tsy afaka misokatra intsony raha tsy amin`ny 1er desambra, hoy hatrany ny CENI. Na eo aza anefa ny fampiofanana dia nohamafisin`ny teo anivon`ny CENI hatrany fa mbola betsaka ny fanatsarana mbola atao mba ho ao anatin’ny fangaraharahana sy ho eken`ny rehetra ny vokatra hivoaka.


Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT