Politique

Tabera Randriamanatsoa Ny hampihavana an-dRajoelina sy Ravalomanana no tanjona


  • Alarobia 05 Desambra 2018

Tabera Randriamanatsoa Ny hampihavana an-dRajoelina sy Ravalomanana no tanjona

 

 

 

Namoaka fanambarana manokana tsy hitambarany amin’ireo kandida hafa ny filohan’ny antoko politika Kintana sady kandida ho filoham-pirenena farany teo, Tabera Randriamanantsoa. Nambarany fa noho ny tombontsoa avon’ny firenena dia nanao ny fomba sy ezaka rehetra ny filoha Zafy Albert, mialoha kelin’ny nahafatesany, namitrana ny fihavanan’Andriamatoa isany Andry Rajoelina sy Marc Ravalomanana. Nohatevenin’ny filoha am-perinasa io tato aoriana, hoy izy, ka nampihaona azy mirahalahy mianaka tao an-tranony. Vato namelan-kafatra ny tenako, hoy Tabera Randriamanantsoa, amin’ny maha mpitarika ny CRN ahy. Mihevitra aho, hoy izy, fa tsy mety ny miandany ka handrava indray ny dingana lehibe efa vitan’ny Raiamandreny teo aloha tamin’ny namintranany ny fihavanan’izy mirahalahy hifaninana ireo, noho ny tombontsoam-pirenena. Heverinay, hoy izy, fa tsy mendrika ny fampiasana ny hevitra fototra ijoroan’ny komitin’ny fampihavanam-pirenena na CRN, dia ny fihavanana, ho fitaovana politikan-tseza mba ho takalon’ny fanohanana ny kandida izatsy na izaroa satria mandalo ihany ny mpanao politika. Foto-kevitra nimatimatesan’ny CRN, hoy izy, ny fampihavanana ho amin’ny fanorenana ifotony saingy ny mba setriny dia nahatratra 2000 isa latsaka ny gadra politika, am-polony ireo maty tany am-ponja, an-jatony ireo mitondra takaitra noho ny herisetra politika, an-jatony no natao fasana iombonana nandritry ny fampandrian-tany, indrindra tamin’iny faritra avaratry ny nosy iny. Am-polony koa, hoy hatrany ny tenany, ireo manamboninahitry ny tafibahoaka no nogadraina noho ny hevitra politika tsy mitovy.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT