Miteraka ahiahy ny manodidina ny fifidianana amin`izao fotoana. Misy ny fitoriana nataon`ny kandidà Tabera Randriamanantsoa mikasika ny didim-panjakana manaika ny mpifidy amin`ny 7 novambra ho avy izao.
Tsy eken`ity kandidà ho filoham-pirenena ity ny fomba namoahana ilay didy. Raha tsiahivina, ny 29 jona no nivoaka ny didy ary noraketina tamin`ny gazetim-panjakana ny 10 jolay 2018. Amin`ny maha kandidà azy dia tsy ara-dalàna ny zava-misy ka nangataka fanafoanana ilay didy izy. Tsy manaiky ny tenany satria nandritra ny filankevitry ny minisitra no tokony ho nandraisana azy. Amin`ny maha tany tan-dalàna an`i Madagasikara dia mila hajaina ny lalàna rehetra. Natao ankisisika fotsiny izany kanefa mazava tsara ny lalàna, hoy izy. Miisa valo ny andininy amin`io didy io ary mifandray amin`ny andininy faha-7 amin’ny hitsivolana 72-042 tamin’ny 19 septambra 1962. Tokony ho nalefa tamin`ny haino aman-jery ary nalefa ampahibemaso ny fanambarana ofisialy miantso ny mpifidy hanao ny adidiny. Nohamafisiny ihany koa fa tsy mazava ny valin-teny avy amin`ny governemanta ankehitriny dia teny amin`ny Filankevi-panjakana ny kandidà no nametraka ny fitoriana satria efa telo herinandro no napetraka ny fitoriana. Mahakasika ity raharaha ity ihany koa, nilaza ny tenany fa nahazo fandrahonana mihitsy. Niisa dimy ireo olona nandrahona azy ny alatsinainy lasa teo satria toa manahirana sy mampikorontana ny fitoriana napetrany saingy hijoro foana ny tenany. Etsy an-daniny, araka ny nambaran`ny mpahay lalàna, Ranesa Firiana, ny olona tsirairay dia manan-jo hitory rehefa hitany fa misy mampiahiahy azy. Mikasika ilay didim-panjakana miantso ny olona hifidy dia tao anatin`ny ara-dalàna tanteraka. Ny fangatahana fampiatoana anefa raha ao amin`ny Fitsarana ady amin`ny fanjakana dia 48 ora aorian’ny nivoahan`ilay didim-panjakana ho fanta-bahoaka no fe-potoana ahafahana mitory. Raha aty amin`ny volana septambra kosa vao hitory dia heverina fa filam-baniny izay tiana atao. Notsindriny ihany koa fa kandidà ilay mpitory ary raha tsy nahalala an`io ilay kandidà dia tsy afaka nirotsaka ho kandidà fa miendrika fanakorontanana ny fizotram-pifidianana, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.