Politique

Tabera Randriamanantsoa « Misy haino aman-jery manasa atidoha fotsiny ! »


  • Zoma 09 Novambra 2018

Niteraka resabe ny voka-pifidianana ho filoham-pirenena nanomboka nivoaka tamin’ireo haino aman-jery isan-karazany nanomboka ny alarobia alina taorian’ny fandatsaham-bato. Samy nanana ny tarehimarika navoakany izy ireny.

 

Nanoloana izany dia naneho ny heviny ny kandida Tabera Randriamanantsoa ary nilaza fa tsy mety ireny ary misy haino aman-jery manasa atidoha fotsiny. Tokony hosaziana ny haino aman-jery manao toy ireny. Nilaza ny fahitany ny zotram-pifidianana ihany koa moa ity filohan’ny antoko politika Kintana ity ary nanambara izao daholo vao miaiky ireo kandida tsy niara-dia taminay 25 mianadahy fa nety ny nataonay raha niantso fanokafana indray ny lisi-pifidianana aloha vao niroso. Niharihary izao fa misy kandida milaza ho favori iray tena nanao hosoka bevata. Miisa 2 tapitrisa ny verin-droa na « doublon ». Fitiavanao ho eny Iavoloha ve no hanaovanao sorona ny firenena ? Manome tsiny ireo avara-pianarana aho, hoy izy, satria nangina ka namela ny vazaha hamiravira an’i Madagasikara. Averina indray fa ny SADC sy ny vondrona eoropeanina sy ny tariny no nanao iny fifidianana iny. Nampahafantatra ihany koa moa ity mpanao politika ity fa nitory ny CENI ireo firaisankinan’ireo kandida miisa 25 tamin’ny 5 novambra teo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT