Tokony ho nandeha omaly ny fitsarana ny antontan-taratasin’ady laharana 124/18-CE/CEP mahakasika ny fitoriana nataon`ny kandidà Tabera Randriamanantsoa mikasika ny didim-panjakana fampiantsoana ny mpifidy saingy nahemotra ho amin`ny 11 septambra ho avy izao indray ny famoahana ny didy.
“Misy ambadika politika ity raharaha ity”, hoy izy satria tsy afaka mametra-pialana indray ny filoham-pirenena am-perinasa. Miantona mantsy ny didy ka raha ny lojika, tsy afaka mametra-pialana ny filoha am-perinasa noho ity fitoriana ity. Notsindriany kosa fa ny lalàna no mitaky an`izany fa tsy ny tenany. Nilaza izy fa kandidà hampahitsy ny lalàna eto amin`ny tany sy ny fanjakana ny tenany ary amin`ny maha Administratera sivily azy, efa fanaony ny mitondra raharaha any amin`ny filankevi-panjakana saingy ny fitantanan-draharaha eto amintsika dia tsy manara-dalàna daholo. Tsy marina ny filazana fa manakorontana fotsiny ny tenako, hoy i Tabera fa mitaky ny fampiharana ny lalàna. Nohamafisiny fa tsy mitory ary tsy miady an`iza an`iza ny tenany fa mitory didy tsy ara-dalàna, hoy hatrany ny fanazavana. Mahakasika ny fametraham-pialan`ny filoham-pirenena, dia tsy sakana ny fitoriana, hoy ny mpahay lalàna iray satria efa neken`ny fanjakana ny firotsahan-kofidiany. Nilaza kosa izy fa mety misy ifandraisana amin`ny didy navoakan`ny HCC mahakasika ireo fitoriana napetrak’ity kandidà ity ny fampiatoana ny raharaha. Araka ny lalàna dia eny amin`ny HCC i Tabera Randriamanantsoa no nametraka ilay fitoriana fa tsy aty amin`ny filankevi-panjakana. Amin`ny maha kandidà azy, azon`ny HCC raisina tsara ny fitoriana amin`ny maha kandidà efa neken`ny fanjakana azy sady ny filankevi-panjakana tsy afaka mitsara an`ity raharaha ity.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.