Ratsy ny zava-misy eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, hoy ny filohan’ny antoko politika Kintana sady filohan’ny komitin’ny fampihavanam-pirenena na ny CRN, Tabera Randriamanantsoa, raha naneho ny heviny mikasika ny raharaham-pirenena ankehitriny.
Ny olana anefa dia tsy te hiresaka mialoha ny fifidianana ihany isika na dia efa hita tao anatin’ny 50 taona aza ny voka-dratsin’ny fifidianana natao tanaty korontana. Tsy mbola vita ny fampihavanam-pirenena ary antony nandavanay teo anivon’ny HFI sy ny CRN ny hanatontosana ny fifidianana mialoha. Mila ampihavanina amin’ny tantara, ny toekarena, ny fanabeazana sy ny lafin-javatra rehetra eto aloha ny Malagasy. Antony nangatahanay tamin’ny filoham-pirenena izany rehetra izany hoe mba henoy re izahay na dia 2 andro fotsiny aza. Efa nilaza moa ny filoha fa hanapa-kevitra afaka 48 ora (TTF: 24 ora). Mikasika ny resaka mandeha fa niala teo anivon’ny hetsika fanorenana ifotony ny tenany dia tsia, hoy izy ny valiny fa efa samy manana ny andraikiny ny rehetra. Ny hoe hilatsaka ho filoham-pirenena kosa dia ho hitanareo eo, hoy izy.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.