Mbola miantso fifampiresahana amin’ireo hery politika malagasy rehetra ihany hatramin’izao na dia teo aza ny fandavan’ny avy eo anivon’ny filakevi-panjakana ny fangatahana napetrany teo anivon’ity rafitra ity ny filohan’ny antoko Kintana sady kandida ho filoham-pirenena,
Tabera Randriamanantsoa. Ny nampalahelo dia nolaniana fotoana teny Anosy teny izahay tamin’ireny fotoana ireny, hoy izy. Nampivezivezena, nalaina am-bavany adiny 5 kanefa ny valiny avy eo dia hoe diso varavarana. Ny dikan’izay dia misy zavatra maloto ao matoa nolaniana fotoana vao nolavina ny dosie. Maninona raha tany am-boalohany dia efa nolavina ? Midika izany fa mila atao mafy ny ady amin’ny vondrona iraisampirenena satria voabaikony avokoa na ny CENI na ny HCC sy izay rafitra misy eto. Efa niresaka tamin’ny mpandraharaha Malagasy aho hoe io ny harem-pirenena sy ny solika ka isika Malagasy no hisitraka ireo. Ireo mpandraharaha Malagasy ankehitriny no manampy ahy satria tsapany fa tolona iaraha-manana ity. Ireo no manao tsipaipaika. Ny sasany manome 1 tapitrisa ariary. Ny sasany 2 tapitrisa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.