Fiarahabana ny filoha Ravalomanana tafaverina ao Faravohitra sy ny fahatrarana ny taona vaovao fiarahabana ny senatera teo aloha Mosa Tahitry narahina fetim-pisnakaviana.Ireo No nisongadina nandritra ny fihaonan'ireo mpikambana ao amin'ny Tiako i Madagasikara any amin'ny distrikan'i Tolagnarp ny sabotsy teo
.Vory lanina avokoa ireo mpikambana taloha sy ireo somary nangatsiatsiaka.Tao amin'ny foiben'ny tiako i Madagasikara ao amin'ny trano fonenan'ny senatera. Nohararaotin' ireo mpitarika ny antoko any an-toerana (Senatera Mosa Tahiry sy Mahazovelo Raymond ) ny naneho ny alahelon’izy ireo ny amin'ny tsy mbola amelan'ny mpitondra ankehitriny ny filoha Ravalomanana hiresaka mivantana amin’ireo mpiara-dia aminy.Takiana izany mba hisian'ny fifaneraserana eo aminy sy ny vahoaka miara-dia aminy, hoy izy ireo.Marihina fa samy nahatonga solontena avokoa tamin'io sabotsy io ireo kominina manodidina.Voaresaka ny mahakasika ny ho fiatrehana ny fifidianana ben'ny tanàna afaka Volana vitsivitsy.Na eo aza izany ny baikon'ny foibe no andrasana.ary mbola manohana hatrany ny filoha Ravalomanana ny TIM ao Tolagnaro.Tapaka fa mba hanamafisana ny fifankatiavana dia hisy ny fihaonana lehiben'ny TIM any an-toerana isaky ny efa-bolana ary ny fivoriana isaky ny sabotsy mbola mitohy ihany.
OTH
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.