Politique

T.I.M Tolagnaro Misy andian'olona te hampisara-bazana ny mpikambana


  • Alarobia 22 Aprily 2015

Nanapa-kevitra ny birao foiben’ny antoko politika araka ny nambaran'ity filohan'ny antoko fa, Raymond Mahazovelo no DisTIM ary Kaleta no mpandrindram-paritra hisahana an’Anosy sy Androy.

 

Tsy zakan'ny mpitarika teo aloha anefa izany fa mbola miziriziry ny ho lohany izy hatramin'izao. Tsy manaraka ny baikom-pandaminana izy.Ny an-kilany miara-dia amin'i Raymond Mahazovelo izay manana ny mandat ara-dalàna avy amin'ny birao foibe, nosoniavin'ingahy Razoharimihaja Solofonantenaina. Ny an-daniny kosa tsy manaiky izay fanendrena sy fandaminana vaovao fa mbola mifikitra amin'ingahy Mosa Tahiry. Ity farany milaza fa nahazo taratasy  ihany koa ary miziriziry rehefa nanontaniana anefa ny filohan'ny antoko nilaza fa iray ihany ny tim any Fort-dauphin izay miara-dia amin'ny mpitarika vaovao. Araka ny nambaran'ny filohan'ny antoko sady birao Nasionaly fa izay lisitra soniavin'i Mahazovelo ihany no manan-kery ho kandidan'ny antoko mandritra ny fifidianana hoavy io. Mahakasika ny hetsika hataon'ny F.F.K.M, samy hanana solontena 02 avy ny antoko politika amin'ny fikaonan-doham-pirenena ny 28 Aprily ka hatramin'ny 02 mey izao. Efa manana lisitra ireo milaza ho TIM  tarihin'ngahy Mosa Tahiry. Ity senatera teo aloha ity mihevitra ny hamorona TIM2. Ny mpiandany amin'i Mahazovelo, tsy manaiky ny fisandohana anarana ka nanolotra anarana avy amin'ny mpikambana tena TIM. Manao antso avo amin'ny birao foibe ny Dis-Tim ny hijery akaiky ity olana ity.

OTH

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT