Iray volana mahery eo ho eo sisa no fotoana hahafahan’ireo kandida hilatsaka hofidiana amin’ny fifidianana Filoham-pirenena mikarakara ny ho enti-manana amin’izany.
Ankoatra ny kaskety sy ireo karazana taratasy sy gazety zaraina dia anisan’ny tena be mpanao indrindra ny tee-shirt hahafahana mampahafantatra kandida iray amin’ny mpifidy sy ny sary famantarana entiny. Raha araka ny fanadihadiana natao teny amin’ireo mpanjaitra tee-shirt sy mpanao serigrafia eto an-drenivohitra dia efa tena mandeha tokoa ny tsenan’izy ireo amin’izao. Miisa folo mantsy raha kely ny tee-shirt kaomandina fikambanana iray raha an’aliny kosa no betsaka indrindra. Manomboka amin’ny 5.000 Ar anefa no hanjairan’izy ireo tee-shirt iray amin’izany miankina amin’ny kalitaon’ny lamba sy ny lokony raha 8.000 Ar kosa ny polo. 1.500 Ar kosa ny mametaka ny soratra amina tee-shirt iray raha tsotsotra raha mahatratra hatrany amin’ny 2.000 Ar mahery ireo karazany nomerika izay soratra hatao amin’ny milina manokana mihitsy ka tsy mety maty. Efa maro amin’ireo mpanjaitra tee-shirt eto amintsika araka izany no nahazo kaomandy betsaka ka voatery nampitombo avo roa heny ireo olona hampiasainy. Manomboka amin’ny 1500 Ar moa ny karaman’ny olona iray manambatra izany tee-shirt izany raha 1500 Ar ihany koa ny mandidy miankina amin’ny kalitaon’ny lamba sy ny paozin’ilay tee-shirt.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.