Mihozongozona ny governemanta Kolo Roger ! Fantatra izao fa efa mahatratra 86 ny sonia voaangona eny Tsimbazaza hanao fitsipaham-pitokisana ny governemanta am-perinasa. Antontanisa omaly tolakandro io, ka mety efa niova
. Raha ny resaka mandeha aza dia mety hivoaka ny efitrano fivoriana avy hatrany ireto mpanao sonia ny fitsipaham-pitokisana ireto anio, raha vantany vao tonga amin’ny lanonam-panokafana ny fotoam-pivoriana ara-potoana ny Antenimieram-pirenena ireo minisitra izay ao anaty lisitra maintin’izy ireo. Mety noho izay ve no nanemorana ho tolakandro amin’ny telo ora ny fanombohan’ny lanonam-panokafana raha tokony hatao ny maraina, fa hoe : “mbola mandamin-javatra” ry zareo Hery Vaovao ho an’i Madagasikara ? Araka ny filazan’ireo solombavambahoaka sendra ny Tia Tanindrazana dia efa herinandro maromaro no masaka ity fitsipaham-pitokisana ity fa miandry fotsiny izao fotoam-pivoriana ara-potoana izao ny fametrahana azy eo anivon’ny Birao maharitra, hampidirina anatin’ny lahadinika avy hatrany. Efa nivonona ny amin’izany ny Tiako I Madagasikara, ny VPM/MMM miaraka amin’ireo depiote tsy miankina nisintaka tao amin’ny HVM. Re fa hanao kofehy manara-panjaitra ny MAPAR izay manana lolom-po amin’ny tsy nanekena ny olony teo amin’ny toeran’ny praiminisitra. Vao manomboka dia hafanafana, araka izany, ny toe-draharaha eny Tsimbazaza eny.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.