Nidina tany Antsiranana ary nitsidika ny filoha Marc Ravalomanana tao amin’ny “Amirauté», trano arahi-maso manokana ao amin’ny toby miaramila an-dranomasina ao Antsiranana, nametrahan’ny fitondram-panjakana azy nanomboka tamin’ny 14 oktobra 2014 ny delegasiona, ahitana olona roa mianadahy, notarihin’ny solontenan’ny Vondrona Afrikanina eto Madagasikara, Rtoa Hawa Ahmed Youssouf
Vao niala tamin’ny fiaramanidin’ny zotra Air Madagascar tao Arrachart izy ireo, tokony ho tamin’ny 11 ora antoandro teo dia nihazo avy hatrany ny “Amirauté». Naharitra ny fihaonana satria efa tamin’ny telo ora sy sasany tolakandro tany vao niala tao ny delegasiona. Tsy nisy nipika ny dinika, tsy nisy ihany koa fanambarana nataon’ity diplaomaty afrikanina ity taorian’ny fihaonana. Azo antoka anefa fa nijery maso ny toerana nametrahan’ny fitondram-panjakana ny filoha Ravalomanana izy ireo. Mifanaraka amin’ny sata maha filoham-pirenena teo aloha azy ve ? Mety te hamantatra ihany koa ihany koa izy ireo na voahaja na tsia ny zon’olombelona sy ny tany tan-dalàna amin’ny fitazonana azy sy ny fiaimpianany andavanandro.
Fampihavanam-pirenena
Ity solontenan’ny Vondrona Afrikanina eto Madagasikara ity no vahiny voalohany nidina ifotony, nijery imaso ny filoha Marc Ravalomanana taorian’ny nisamboran’ny miaramila azy tao an-tranony teny Faravohitra, teo anatrehan’ny fianakaviany, ny harivan’ny 13 oktobra 2014, 25 andro lasa izay. Hanan-danja amin’ny tohin’ny raharaha ity fitsidihana ity, indrindra amin’ny hoavin’ny fampihavanam-pirenena resahin’ny rehetra ankehitriny. Ny iraisam-pirenena rahateo dia manindry mafy ombieny ombieny ny tokony hirosoana amin’ny fampihavanam-pirenena, ary azo antoka fa voaresaka tamin’ity fitsidihana ity ny amin’io ary mety te haka toky tamin’Atoa Marc Ravalomanana ny Vondrona Afrikanina raha vonona hiroso marina amin’izay fampihavanam-pirenena izay. Etsy an-kilany anefa dia hita ho mbola mitady hirika rehetra ny mpitondra fanjakana, hanao fitaovana ny Fitsarana, mba hanamelohana ny filoha Marc Ravalomanana. Mpitsara efa nanameloka an’ity farany tamin’ny 2009 ihany no fantatra fa netsehina hanatontosa izany. Tsy nahatam-bava mihitsy ny praiminisitra Kolo Roger, omaly, taorian’ny fanokafana ny andiany faha-16 ny «Salon International de l’Habitat» teny Tanjombato, nilaza fa hatao manaraka ny lalàna ny Fitsarana an’Atoa Marc Ravalomanana. Fantatra rahateo fa efa misy ny «Ordonnance de compétence exceptionnelle» navoakan’ny Fitsarana tampony mamindra amin’ny Fitsarana ambaratonga any Antsiranana ny fandraisana an-tanana ity raharaha Ravalomanana ity raha tokony ho natao ao Antsirabe. Miankina amin’ny filohan’ny Repoblika ihany anefa ny tohin’izany rehetra izany.
Jean D.
ENCADRE
Niverina eto Antananarivo hatry ny omaly ireo mpisolovava Malagasy roalahy, Me Randrianarivelo Désiré sy Me Andriamadison Hasina, manao ny fiarovana ny filoha Marc Ravalomanana. Tamin’ny alatsinainy 03 novambra izy ireo no tonga tany Antsiranana saingy tsy afa-nihaona tamin’ny olona arovany noho ny fandrirarirana samihafa.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.