Efa tamin’ny alatsinainy 4 aogositra teo no tapak’ireo solombavambahoaka mivory tsy ara-potoana eny Tsimbazaza ilay volavola namaritra ny mety ho endrik’ireo ho solontena roan’ity andrim-panjakana ity ho mpitsara avon’ny lalŕm-panorenana hameno ireo efa ao ankehitriny.
Tsy dia nivaona loatra amin’izay efa notaterin’ny filohan’ny vaomieran’ny lalàna eny anivon’ity Antenimiera ity ka navoakantsika tato anaty Tia Tanindrazana lah.1489 tamin’ny alatsinainy 3 aogositra 2014 teo saingy tena notsorina dia notsorina kosa teo amin’ny taona notakiana (35 taona no ho mihoatra), manana « maitrise » ary nahena tsy ho 10 taona fa antsasak’izay niasana teo amin’ny maha mpahay lalàna azy (magistrat /juriste). Raha ny zava-misy eny Tsimbazaza eny dia tsapa fa efa nandeha nialoha ity volavola ity ny kajikajy ho an’izay olona novinavinainy ho amin’izany toerana izany ka vantany vao lany ilay fepetra dia efa nandeha ny fizarazarana « flyers » sy « carte de visite » mampahafantatra olona sasantsasany mety ho kandidà. Anisan’izany ny sekretera jeneraly am-perinasan’ny Antenimieram-pirenena, Randriamahafanjary Calvin sy ny Avocat Général eto Antananarivo, Tiandrazana Jobe Hilton. Raha ny tombantomban’ny mpanara-baovao teny an-toerana anefa dia mety hifanahantsahana tamin’ny fifidianana ho filoham-pirenena fihodinana voalohany farany teto amintsika ny ho isan’izany kandidà izany !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.