Politique

Solontenam-panjakana manao fampielezan-kevitra Mety hiafara amin’ny fanagadrana mihitsy


  • Talata 09 Oktobra 2018

Nisokatra omaly ny fampielezan-kevitra ary hifarana amin’ny 6 novambra amin’ny 12 ora alina.

 

 

Nisy ny fampahatsiahivana natao tetsy amin’ny minisiteran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana mahakasika ny didy aman-dalàna mifehy ny solontenam-panjakana manoloana izao andron’ny fampielezan-kevitra izao. Nanambara ny minisitra Razafimahefa Tianarivelo fa tsy handefitra mihitsy amin’ireo solontenam-panjakana tahaka ny prefe, ny sefo distrika, ny lehiben’ny boriborintany sy ny sefo fokontany tratra manao fampielezan-kevitra. Tokony hitana ny adidy aman’andraikiny izy ireo ary tsy hiandany na amin’iza na amin’iza. Ankoatra izay dia tsy mahazo mampiasa ny fitaovam-panjakana na maniraka ny olona feheziny hanatanteraka fampielezan-kevitra ireo mpiasam-panjakana ireo. Ny tsy fanarahana ny lalàna dia hanafoana ny vato tokony ho azon’ny kandida tohanan’izy ireo, indrindra hiteraka fanagadrana mihitsy. Nilaza ny minisitra fa ireo no tompon’andraikitra voalohany amin’ny filaminam-bahoaka ankoatra ny mpitandro ny filaminana manoloana izao famoriam-bahoaka etsy sy eroa izao. Izy ireo ihany koa no mampahafantatra ny toerana azo anaovana fihetsiketsehana rehefa avy nanao fangatahana 48 ora mialoha any amin’ny kaominina ireo kandida.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT