Mitrandraka izay sehatra azo isehoana ireo kandidà hisedra safidim-bahoaka satria tsy mazava tokoa ny lalàna mifehy ny hetsika rehetra atao mialoha ny fampielezan-kevitra.
Ho an`ny praiminisitra teo aloha, Mahafaly Olivier, taorian’ny fitsidihany tany Sambava ny faran`ny herinandro lasa teo dia niezaka naka ny fon`ny vahoaka tany Nosy-Be izy ny alarobia lasa teo. Ny famerenana hasina sy ny lanjan`ny vondrom-bahoakam-paritra sy itsinjaram-pahefana no laharam-pahamehana, hoy izy. Nohamafisiny fa olona manana traikefa toa azy no tokony hitondra ny firenena. Anisan`ireo voarohirohy tamin`ny raharaha Claudine Razaimamonjy tamin`ny resaka fanodinkodinam-bola mihoapampana tamin`ny fahazoana tsenam-baro-panjakana mikasika ny fanatanterahana ny fananganana ny lisea teknika iray tany amin`ny kaominina Ambanivohitra Ambalavao anefa izy. Minisitry ny atitany fotsiny izy tamin'ilay resaka Ambohimahamasina niarahany tamin'i Claudine Razaimamonjy. Tamin`izy praiminisitra indray dia nanampatra ny fahefany ka nikasa hangalatra fotsiny izao vola be tamina fanamboarana tranompokonolona tany Port-Bergé izay tsy mifaranaka amin'ny vola tokony hivoaka. Volam-bahoaka no voahodinkodina ary nangalarina teto amin`ny firenena tamin`ity repoblika fahefatra ity ka anisan`ny lehibe amin`izany io raharaha Claudine Razaimamonjy io. Mbola maro ireo raharaha hafa mahavoatonontonona an`i Solonandrasana Mahafaly Olivier toy ny fitrandrahana volamena ao Betsiaka any Ambilobe. Volamena an-taoniny maro no nanjavona tsy fantatra izay alehany amin’izao fotoana. Aiza ny tohin`ny raharaha Antsakabary izay nitrangan`ny fandoroana trano maherin`ny 500 ? Tamin`ny governemanta Mahafaly koa no nahitana fitomboana teo amin`ny asan-dahalo, ny fakana an-keriny, mponina maro any ambanivohitra very fananana, fitsaram-bahoaka. Nihanahazo vahana ny ratsy tamin`ny androny kanefa olona mahafehy tsara ny fitantanan-draharaham-panjakana amin`ny maha “administrateur civil” azy. Inoana fa hafana sy tena hahaliana ny ady mandritra ny fampielezan-kevitra amin`ity taona ity noho ireo kandidà sasany voarohirohy amina dosie maloto maro samihafa. Akaiky tokoa ny fampielezan-kevitra ka samy miezaka manatsara endrika eo imason`ny vahoaka ireo kandidà ho filoham-pirenena.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.