Politique

Solonandrasana Mahafaly Mba mitsapa vintana ihany koa


  • Alarobia 22 Aogositra 2018

Tsy hetraketraka na fitiavana voninahitra ho ahy manokana no hirotsahana hofidiana filoham-pirenena fa adidy goavana eto amin’ny firenena izany, hoy ny Praiminisitra teo aloha Mahafaly Solonandrasana Olivier, kandidan’ny antoko Orimbaton’i Madagasikara na ny OM.

 Amin’ny maha olom-pirenena dia manana adidy sy andraikitra hitondra ny anjara biriky eo amin’ny fampandrosoana, hoy izy. Efa tao anatin’ny governemanta tokoa aho ary aminay sy ny filoham-pirenena dia tsy misy ny olana, ary tena marina tokoa izany, hoy izy. Tsoriko, hoy ity kandida ity, fa tena nandray tombontsoa be dia be ary nisy zavatra nahafinaritra niarahana hatramin’izay ka hatramin’izao fa niteny foana aho hoe tsy azo hafangaro ny raharaham-pihavanana sy ny raharaham-pirenena. Nilaza moa izy fa mpanatanteraka ihany fony praiminisitra, fa izao izany hitondra ny tena heviny sy ny programany, ary tonga ny fotoana hitondrana ny vinan’ny tena fampandrosoana firenena. Izay no hilazako hoe izaho tsy hitoetra amin’ny toeran’ny mpanohitra, fa hitoetra amin’ny toeran’ny mpanarina. Nisy ny zavatra nisy teo amin’ny fitondrana nifanesy, ka anjaran’ny kandida no mijery izay heveriny hanarenana izay lesoka izay. Ny tena fanevany dia ny tsy havadika intsony ny pejy “Aleo soloina ny boky dia andao hanoratra pejy vaovao ao anatin’ny boky vaovaon’ny tantaran’i Madagasikara”. Aleo halevina amin’izay izay mety ho lonilony, hoy ity kandida ity. Aoka izay ny hoe nahavita fe-potoana iray ny filoha, dia tsy handeha hanao sesin-tany foana.

 

J.Mirija/Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT