Politique

Solombavambahoakan’i Madagasikara Kandida 37 hiady toerana 4 eny Tsimbazaza


  • Alarobia 06 Aogositra 2014

Hanomboka rahampitso alakamisy 7 aogositra ny fampielezan-kevitra fandresen-dahatra ireo mpifidy ho azy 37 mianadahy kandida solombavambahoakan’i Madagasikara mirotsaka ao Belo Tsiribihina, Marovoay, Sainte-Marie ary Ambanja. Haharitra 21 andro ny propagandy izay hifarana amin’ny alakamisy 28 aogositra maraina mialoha ny fifidianana ny zoma 29 aogositra 2014.

Ny distrikan’i Belo Tsiribihina no maro mpifaninana indrindra izay miisa 15. Manaraka azy ao i Marovoay izay ahitana kandida 9 arahin’i Sainte-Marie manana kandida 7. Miisa 6 kosa ireo mpifaninana ao amin’ny ditrikan’Ambanja. Efa eto an-toerana ireo bileta tokana natonta tao Afrika Atsimo, araka ny fanazavan’ny filohan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana fifidianana mandritra ny tetezamita Attalah Béatrice. Hatolotry ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny fampandrosoana ny faran’ny herinandro kosa izy ireo. Am-periny amin’ny fiomanana ny fiatrehana ny fifanatrehana mivantana amin’ireo mpifidy azy ireo moa ireo kandida solombavambahoakan’i Madagasikara any amin’ireo toerana ireo, araka ny angom-baovao azo. Hidina ifotony hijery ny zava-misy amin’ireo toerana ireo moa ireo solontenan’ny Ceni-T manomboka ny 19 aogositra ho avy izao.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT