Tranga iray tena mamparefo ny fandriampahalemana eto amin’ny firenena ankehitriny ny fisian’ny tsy fitoviam-pijery sy ny fifanipahana toy ny valala an-karona eo anivon’ny samy mpitondra na avy ao amin’ny fahefana mpanao lalàna sy ny eo anivon’ny mpanatanteraka.
Efa notaterina teto fa tsy vitsy ireo mitaraina fa tsy mbola nisy Antenimieram-pirenena nahitana mpanao kolikoly maro tahaka ity kanefa dia arovan’ilay antsoina hoe « immunité parlementaire ». Ny avy ao amin’ny parlementera indray dia maro no manome fanakianana ireo avy ao amin’ny fahefana mpanatanteraka. Eo anivon’ireo manamboninahitra ambony sy manamboninahitra jeneraly ihany koa dia efa manomboka andrenesam-peo. Atahorana noho izany ny ipoahan’ny ady. Sarotra ihany koa ny toeran’ny mpanao gazety ankehitriny amin’ny fanomezam-baovao sy eo amin’ny asa fanadihadiana ataon’ireo mpanao gazety havanana amin’izany. Ny irariana sy ny andrasana amin’ny Filoham-pirenena dia ny mba handraisany fanapahan-kevitra tsy hitanila fa hampitovy ny Malagasy rehetra ao ambanin’ny lalàna na inona na inona andraikitra tazoniny eto anivon’ny firenena. Ny zavatra tena mampanahy ihany koa mantsy dia tsy vitsy ireo manampahefana mpanao ratsy sy mpanao meloka no mialokaloka eo amin’ny fitondram-panjakana na arovan’ny andrim-panjakana mihitsy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.