Hanomboka anio amin’ny 10 ora maraina ny fivoriana tsy ara-potoana voalohan’ny antenimieram-pirenena Tsimbazaza amin’ity 2015 ity araka ny didim-panjakana laharana 2015-10 navoakan’ny fiadidiana ny repoblika
Tsy mihoatra ny 12 andro ny fivoriana ka anisan’ny lahadinika ny fandinihana ny fananganana ilay « Haut conseil pour la défense de la démocratie et de l’état de droit », ny fifidianana ireo solontena 2 avy amin’ny antenimieram-pirenena ao amin’ny Fitsarana ambony (haute cour de Justice), eo ihany koa ny fandinihana sy fakana ny hevitry ny solombavambahoaka momba ilay sata manokana mifehy an’Antananarivo Renivohitra sy ny nosy Sainte Marie ary Nosy be. Niteraka adihevitra sy resabe moa ity volavolan-dalàna iray ity. Mandeha anefa ny feo fa dia ho lany tsy misy adihevitra be intsony izy io amin’ ity indray mitoraka ity. Hisy resaka momba ny tontolo iainana sy fandinihana ny « code de l’aviation civile » ihany koa mandritra izao fivoriana tsy ara-potoana izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.