Politique

Solo Norbert Andriamorasata Nitory an’i Andry Rajoelina


  • Zoma 31 Aogositra 2018

Tafapetraka eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC Ambohidahy ny taratasy fitorian’Atoa Solo Norbert Andriamorasata, iray amin’ireo kandida filoham-pirenena natolotry ny antoko UDECMA/KMTP.

 

 Mitondra ny datin’ny 24 aogositra izy io, ary efa voarain’ny HCC soa aman-tsara ny 29 aogositra teo. Vontoatiny ny fangatahana ny fanesorana an’i Andry Rajoelina tsy ho kandida filoham-pirenena noho ny resaka fanonganam-panjakana, izay anisan’ny antony lehibe. Ampahatsiahivin’ity kandida zokiolona ity ao anatin’ny fitoriany fa araka ny sata Afrikanina momba ny demokrasia dia tsy tokony ho afa-mandray anjara amin’ny fifidianana ara-demokratika ny olona efa nandroba fahefana, izany hoe nanongam-panjakana. Firenena hatrany amin’ny 30 no nankato an’io, anisany i Madagasikara. Mifameno amin’ny fifanarahan’i Cotounou mandrara ny filatsahan’ny mpanogam-panjakana na “Putschiste” amin’ny fifidianana demokratika. Tsy vao izao i Andry Rajoelina no nisy nitory fa efa  nanao izany ry Pety Rakotoniana tao amin’ny HFI (Hetsi-bahoaka ho an’ny tena fanovana sy fanorenana Ifotony), izay nanaboridana azy ho mpandroba firenena sy mpanondrana boaderozy, ka tsy mendrika akory ny ho kandida sy hitondra firenena.

Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT