Iray amin’ireo hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenana ny mpanao gazety zokiolona Solo Norbert Andriamorasata, izay sokajiana ho zokiny indrindra amin’ireo kandida satria efa 82 taona izy amin’izao fotoana izao.
Ny antoko UDCMA/KMTP no manosika azy, ary ny taona 1972 izy no efa nirotsaka saingy nambara ho tsy ampy taona, ka tsy hay indray amin’ity na ambara fa ef anihoatra, raha ny nambarany teny amin’ny HCC Ambohidahy ny talata teo. Tsy mbola filazana ny tena programan’asa izao, saingy nasiany tsindrim-peo nandritra ny fanaterana ny antontan-taratasy filantsahan-kofidiany ny talata 14 aogositra lasa teo kosa ny resaka tsy fandriampahalemana sy ny fahasalamana.Raha ny resaka firehena politika amin’izao fotoana izao, dia saika ny hery ankavanana avokoa no mirotsaka, fa tsy hita ny tena mpanohitra raha ny nambarany, ka heveriny sy hantenainy, fa hirona mankany amin’izy ireo izay hery ankavia ny safidin’ny olona. Raha hiverenenana ny fifidianana tamin’ny 2013, dia 7 tapitrisa ny mpifidy, ary tsy nisy afa-tsy 4 tapitrisa no nandatsa-bato, ka 2 tapitrisa teo no nahalany ny filoha. Ireo ambiny, dia inoany sy hantenainy fa handatsa-bato ho azy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.