Fanapahan-kevitra hendry no noraisin’ny filoha nasionaly teo aloha Razoarimihaja Solofonantenaina namerina ny fitantanana amin’ny filoha mpanorina ny Tiako I Madagasikara, hoy ny filohan’ny antoko Liaraike Soja Jean André.
Tena lojikan-javatra io famerenana ny fahefana eo am-pelatanan’ny fototra nipoiran’ny antoko dia andriamatoa Ravalomanana Marc io, araka ny fanampim-panazavany. Arahabaina ny filoha vaovao mpitantana ny antoko izay antenaina hitondra ainga vao amin’ny fomba fanaovana politika eto Madagasikara. Resy lahatra moa ity mpanao politika loholona teo aloha ity fa hampiroborobo haingana ny TIM ny fandraisan’ny filoha Ravalomanana Marc an-tanana ny fitarihana ny antoko. Ho hita taratra eo anivon’ity antoko ity amin’izay ny firaisankina sy ny tanjaka efa nananany hatramin’izay. Tsy hijanona fotsiny ao anatin’ny TIM anefa io maha antoko goavana azy io fa hoporofoina miandalana amin’ny fampandrosoana ny firenena, araka ny fanamarihan’ny senatera teo aloha Kaleta.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.