Politique

Soava Andriamarotafika Voaantso in-droa teny amin’ny zandary omaly


  • Talata 31 Martsa 2015

Voaantso teny amin’ny tobin’ny zandary eny Betongolo hatao fanadihadiana ny mpanao gazety Soava Andriamarotafika (VIVA) noho izy tao anaty fiara nitondra an’i Alain Ramaroson ny sabotsy lasa teo.

 

 Fantatra fa “tara tamin’ny valandresaka nataon’ingahy Alain Ramaroson teny Antanimena  ny tenany ka nangataka ny hanaovana izany  indray tao anatin’ny fiara niaraka tamin’i Alain Ramaroson”. Vita  ny fanazavan’izy ireo dia nasaina niandry ny tenany ary afaka fotoana maromaro tato aoriana dia nilaza taminy ny mpanao famotorana fa tsy misy ilana azy intsony fa mahazo mandeha izy. Ny nahagaga anefa dia voaantso an-telefaonina ho eny Betongolo indray ity mpanao gazety ity omaly antoandro. Rehefa nanontaniana izy taorian’ny fakana am-bavany azy dia nilaza fa karazana fanaovana ramatahora no nitranga. Teny an-toerana ihany koa ny filohan’ny holafitry ny mpanao gazety izay efa nanao fanambarana nanameloka ny fisakantsakanana ny mpanao gazety manao ny asany  ary manameloka ny fanambanana basy ny  mpanao gazety tamin’ny sabotsy.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT