Mitohy ny herisetra na ara-batana na ara-tsaina atao amin’ny mpanohana ny kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana, izay saika hahitana izany na ambanivohitra na an-drenivohitra.
Nisehoana herisetra mampiahiahy indray omaly taorian’ilay tamin’ny 6 desambra nanafihana tao an-tranony an’Atoa Rivojaona Raherimihaja mpikambana anatin’ny Biraon’ny K25 ao Morondava, ary efa kandida depioten'ny antoko TIM tao an-toerana. Nisy nanafika moa izy sy ny fianakaviany raha andeha hody tao an-tranony tao Namahora, ary naratra mafy. Mpikatroka K25 avy ao Morondava iray hafa antsoina hoe Said Allaoui indray omaly maraina tokony ho tamin’ny 4 ora no nisy nifofo ny ainy. Tombanana ho misy ifandraisana ny herisetra natao tamin’izy mirahalahy satria avy natory tao an-tranon’i Rivojaona Raherimihaja voalohany ity lehilahy anisan’ireo mavitrika amin’ny fanetsiketsehana ny fanohanana an’i Marc Ravalomanana any an-toerana ity no nisy nikapa famaky ny lohany. Handeha hanao fampielezan-kevitra any Belo izay lavitra ihany no programany, ka nomena toromarika nivoaka ny trano tamin’ny 4 ora maraina niandry ny fiara haka azy no tratry ny kapa famaky teo amin’ny lohany raha ny fampitam-baovao. Naratra mafy izy ary voatery nozairina ny lohany, ankoatra ny ratra hafa nahazo azy. Nalaina ny zavatra teny aminy, izay heverina ho natao mba hilazana fa olon-dratsy mpandroba no namely azy fa tsy misy ambadika politika. Raha halalinina ny zava-misy dia tsy fifanandrifian-javatra izao, fa tena efa tetika maloto sy fampihorohoroana ny mpanohana an’i Marc Ravalomanana. Sesilany rahateo ny karazana fandrahonana sy gafy, eny fa misy hatramin’ny teritery hampandaniana kandida iray. Herisetra ve sisa no fomba fiady katsahina hahazoana fahefana rehefa maivan-danja ny hevitra ka tsy maharototra vahoaka ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.