Tena iarahan’ny mpandinika maro milaza ankehitriny, hoy Atoa Serge Zafimahova filohan’ny Club Ethique et Dévéloppement na CDE, fa fiantraikan’ny fanapahan-kevitra ara-politika noraisin’ny mpitondra tany aloha izao fahasahiranana zakain’ny orinasa Jirama izao.
Tena nosakanan’ny fanjakana mihitsy ny fampisondrotana ny vidin’ny herinaratra tamin’izany fotoana izany, hoy izy, ho fitsinjovana ny fahefa-mividin’ny vahoaka. Ny fanazavan’ny tale jeneranly lefitry ny orinasa tamin’ny faran’ny herinandro teo no nahafantarana izany. Nandray andraikitra hampidina ny vidin-jiro hatrany amin’ny 10% mihitsy aza, hoy ihany izy, ny mpitondra tamin’ny taona 2009. Tsy nifanaraka velively tamin’ny fisondrotry ny vidin-tsolika akory izany. Lasa fototr’olana amin’ny mpanjifa anefa, hoy izy, ny fanitsiana ny sandan’ny herinaratra izay lalan-tokana hoenti-manarina ny Jirama, ankehitriny. Ho olana foana izay fanapahan-kevitra horaisina eo, araka ny fanazavan’ity mpitarika ny CDE ity. Mila fanapahan-kevitra politika matotra koa, hoy izy, satria hahafaly ny vahoaka ny fampidinana vidin-jiro nefa hanapotika ny orinasa. Mety hampiarin-doha ny Jirama kosa ny fampisondrotana ny vidin’ny herinaratra saingy tsy hankasitrahan’ny vahoaka ka anjaran’ny fanjakana ny mamaritra ny politikam-pitantanana ny angovo araka izay zakany. Vahaolana narosony ny fananganana foibem-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny arintany na ny etona izay ho azo ampandehanina ao anatin’ny fotoana fohy. Notakiany koa ny hitsirihana lalindalina ny fifanarahana namerana ny vidiny hakana ny herinaratra avy amin’ireo tsy miankina efa namatsy ny Jirama hatramin’izay, hisian’ny mangarahara.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.