Politique

Serge Zafimahova “Tanjonay ny hahazo 55% amin’ny fihodinana faharoa”


  • Alakamisy 06 Desambra 2018

Mitaky ny fandraisan’andraikitra feno avy amin’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) ny kandida Marc Ravalomanana sy ny ekipany mba tsy hiverenan’ny halabato sy kolikoly isan-karazany intsony amin’ny fihodinana faharoa,

 

 

 

 

 hoy Atoa Serge Zafimahova halina tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana. Tsy azo ekena intsony, hoy izy ny hoe taratasy kely avy any amina sefo fokontany no milaza fa misy olona lazaina fa ao anaty lisi-pifidianana kanefa very kara-panondro dia afaka mifidy ihany. Efa nanao izay faraheriny ary nampiasa vola be mety efa im-pito na im-balo avo heny noho ny nampiasain’ny filoha Macron nandritra ny fifidianana tany Frantsa ny mpifanadrina aminay, hoy i Serge Zafimahova kanefa tsy tafavoaka ary tsy nahavita ilay 1er tour dia vita. Izahay mpanohana ny filoha Ravalomanana kosa, hoy izy dia efa tany amin’ny fihodinana voalohany no niomana hiatrika ny fihodinana faharoa ary manana erijika kokoa ary efa miparitaka manerana ny nosy sy am-perinasa ny olonay, hoy izy. Tsy elanelana isan-jato roa na telo no tadiavinay fa ny tanjonay dia mahazo ny 55%-n’ny vato manankery na mihoatra izany aza i Marc Ravalomanana amin’ny 19 desambra raha ny filazany. Tena mila hentitra ny fanaraha-maso ny latsabato amin’ity indray mitoraka ity, hoy izy mba hisorohana ny tsipaipaika maloto samihafa. Nanentana ireo mpiara-miasa amin’ny kandida laharana faha 25 ny tenany mba handefa faran’izay haingana ny voka-pifidianana aorian’ny  fanisam-bato. Nohamafisiny indray fa hametraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy eto Madagasikara i Marc Ravalomanana mba hanomezana fahefana kokoa ny isam-paritra satria izay no hanafaingana ny fampandrosoana ny firenena. Olom-boafidim-bahoaka avokoa ny filohan’ny faritra, ny ben’ny tanàna ary ny sefo fokontany, hoy izy. Hiditra ao anatin’ny rafitra mpanapa-kevitra amin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra izy ireo ary ho betsaka kokoa ny fahefana omena azy ireo. Momba ny vola nolanian’ny kandida Ravalomanana tamin’ny fihodinana faharoa indray, dia tsy maintsy mbola ho avy, araka ny lalàna ny kaonty mazava tsara, hoy izy fa raha ny tao amin’ny foiben’ny KMMR manokana no asian-teny raha hoe namoaka vola 6 na 7 miliara ariary dia efa mihoatra be izany. Ekena ny voka-pifidianana izay mipoitra eo, hoy izy raha mazava tsara ny fitsipi-dalao.

 

Nangonin’i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT