Politique

Serge Zafimahova “Ravalomanana no mahavita ny fampihavanana ara-toekarena”


  • Talata 27 Novambra 2018

Naka lesona tamin’ny tantara, ary afaka manitsy ny mety ho lesoka tamin’ny fitondrany i Marc Ravalomanana. Nanana fanetren-tena nanaiky izy matoa voaongana teo amin'ny fitondrana.

 

 Nisy ny zavatra tsy nety tao ary vonona nanitsy ny zavatra tsy nety izy. Tsy fantatro na firy na firy ny olona manana fanetren-tena manaiky hanitsy tahak'izany, hoy ny fanehoan-kevitra nataon’ny Talen’ny fandrindrana ankapobeny ny fampielezan-kevitry ny kandida laharana faha-25 Atoa Serge Zafimahova tetsy amin’ny Hotely Carlton ny 23 novambra lasa teo. Naka lesona tamin’ny tantara i Marc Ravalomanana. Niezaka nanatona ireo tsy nitovy hevitra taminy sy nanana olana taminy. Maro amin’ireny amin’izao fotoana no miara-dia aminy ao anatin’ny fifidianana. Mazava fa hametraka ny fampihavanana ara-politika i Marc Ravalomanana, ary tsy mijanona eo fa tena hanao ny fampihavanana ara-toekarena ihany koa. Hosokafana ny orinasa nidina dia aleo handeha ny fifaninanana fa tany aloha dia nisy ny tsy fahazakana fifaninanana. Raha tiana handroso ny ekonomia eto Madagasikara dia avela hanjaka ny fifaninanana amin’ny lafiny rehetra, raha ny nambaran’i Marc Ravalomanana. Anisan’ny ain-dehiben’ny firenena ny firoboroboany sy ny fandraharahana ny famoronan’asa. Zava-dehibe mampirindra izany ny fitoniana ara-toekarena sy ara-politika, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandraharaha Mbola Rajaonah, izay miara-miasa amin’i Marc Ravalomanana. Mikasika ny fifandraisan’ny vahoaka Malagasy amin’ny mpitondra kosa, dia tena mipetrapetraka ny paikady hametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Hofidiana ireo solontenam-bahoaka miainga eny ifotony, ary ho mpiantsehatra amin’ny fampandrosoana miainga eny amin’ny fokontany, ka tsy hisy mizana tsindrian’ila fa ho mirazotra ny fampandrosoana manerana ny Nosy. Tsiahivina fa i Marc Ravalomanana no angady nananana sy vy nahitana ny fanomezan-danja ny fitsinjaram-pahefana tena izy izay hitondrany fanatsarana rehefa lany filoha ny tenany. Ny taona 2004 no niala tamin’ny faritany mizaka tena miisa 6, ka nivadihana tamin’ny faritra 22 mba hisian’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fampandrosoana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT