Tamin’ny anaran’ny ekipa rehetra nandrindra ny fampielezan-kevitry ny kandida Marc Ravalomanana no nanehoany hevitra manoloana ny famoahan’ny HCC ny valim-pifidianana ofisialy omaly. Nisaotra
ny kandida Marc Ravalomanana tamin’ny fitokisana lehibe nomena azy ity mpandrindra ankampobeny ny fampielezan-keviny ity. Tsy ho vitako ny hanadino fa hoe: ny kandida Marc Ravalomanana no nitondra sy nivoy hevitry ny Pr Zafy Albert amin’ny fampihavanam-pirenena, ny fitsinjaram-pahefana tena izy,… hoy izy. Nisy ny fifanarahana sy antontan-kevitra nosoniavina mitondra ny lohateny hoe: « Convention pour la Réconciliation, la Croissance, le Développement et la Gouvernance » nifanaovana ny 21 oktobra 2018, mba hanohizana ny vinan’ny Pr Zafy Ray fototry ny demokrasia, ary sahaza ny sokajin’olona rehetra ny fampandrosoana noheverina hoentina, ka niaraha-nisalahy tao anatin’ny K25 ny fanohanana an’i Marc Ravalomanana. Nisongadina ihany koa, hoy izy, ny hoe: mpifahavalo teo aloha no nivondrona mba hiaro ny tombotsoa iraisana ary ny firafitry ny delegasionin’ny kandida Ravalomanana tamin’ireny adihevitra tamin’ny fahitalavitra ireny, dia nanome endrika goavana sy mafy ny fampielezan-kevitra. Nampahatsiahy izy fa nanao lalao madio sy nanaraka ny lalàna mba ho mariky ny tena demokrasia. Tena henatra ho an’ny Repoblika ny mpikamban’ny CENI sy ny HCC kanefa raha toa ka tsy hanaja ny fenitra ambany indrindra mahakasika ny lalàmpanorenana, dia vao maika hitondra ny firenena any anaty fahapotehana tanteraka, raha ny nambarany. Tsy misy azoko atao afatsy ny mitsodrano ny mitsodrano ny filoha, izay nambara tamin’ny fomba ofisialy fa voafidy ho filoha dia i Andry Rajoelina, hoy i Serge Zafimahova. Andriamanitra anie hitantana anao ho amin’ny fahendrena amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana Malagasy mandritra ny fe-potoam-piasana, hoy izy.