Mitaraina amin`ny fiakaran`ny vidin-tsolika avokoa ny eto Madagasikara,
indrindra ireo mpampiasa lalana. Hita taratra ny elanelan` ny vidiny tena marina sy ny vidin-tsolika eny amin'ny mpaninjara. Ny talata alina dia nahitana fiakarana indray. Naneho ny fivoaran'ny vidin'ny solika eo amin'ny tsena iraisam-pirenena satria nanondro 69,27 dolara ho an'ny barilan-tsolika ary 78,86 dolara ho an'ny solika Brent. Nanomboka ny volana febroary 2016 dia tsy nitsaha-mitombo ny fiakarana fa ny teto Madagasikara tsy niova firy, raha oharina amin'ny fironana eo amin'ny tsena iraisam-pirenena. Raha ny marina, ny vidin'ny barila dia ambanin’ny 28 dolara tamin'ny febroary 2016 ka niakatra mihoatra ny 45 dolara tamin'ny septambra 2017. Mampiseho ny fitomboana 66.7% izany. Teto Madagasikara anefa ny vidin'ny iray litatra tamin'ny lasantsy 3340 ariary lasa 3650 ariary, izany hoe nitombo 9.2%. Ny gazoala kosa 2540 Ariary ny litatra tamin'ny 2016, izay niakatra ho 3 000 Ariary tamin'ny septambra 2017, izay niabo18.1%. Nitohy izany ny taona 2018, ka niakatra amin'ny vidin-tsolika hatramin`ny 53,3% isan-taona, raha toa ka 45 dolara tamin'ny volana septambra 2017 ka hatramin'ny 69 dolara amin'ny volana septambra 2018. Azo antoka kosa anefa fa hisy fiantraikany ara-tsosialy sy ara-toekarena ho an'ny mpanjifa izany. Ho an`ny mpahay toekarena dia vokatry ny fahasimban'ny fahefa-mividy ambany indrindra ny vola miditra fa tsy ny vidiny ambaratonga ambony. Araka ny nambaran`ny mpandinika eo anivon`ny fiarahamonim-pirenena, Serge Zafimahova, be loatra ny hetra alain`ny fanjakana eo amin`ny solika (Taxes produits petroliers). Midangana loatra kanefa raha oharina tamin`ny folo taona, 110 dolara ny vidin`ny iray barila, izay mora lavitra noho ny amin`izao fotoana. Mampametra-panontanina, hoy ity mpahay toekarena ity satria manodidina ny 65 dolara ny vidiny ankehitriny. Hita taratra ny tsy fahaiza-mitantana miseholany eo anivon`ny fanjakana, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.