Politique

Serge Jovial Imbeh “Zaraina ara-drariny ny harena misy eto”


  • Talata 21 Aogositra 2018

Firenena anisan`ny mahantra indrindra maneran-tany i Madagasikara kanefa toa be mpitsiriritra satria misy harena adala tompo sy kitapo latsaka eto. Rehefa tsy avelan’ny mpitondra hitrandraka sy hisitraka izany ny vahoaka malagasy dia tonga ny vahiny hitavana azy.

 

 Manoloana izay indrindra dia manana tetikady vaovao hanatsarana ny toekarena eto an-toerana, fijery vaovao, paikady vaovao, ho an'ny vahoaka i Serge Jovial Imbeh. Izay no tanjona lehibe indrindra ho azy amin'ny fifidianana filoham-pirenena.  Ankoatra izay, ny tombantombany dia ny hanangana firenena ho an'ny vahoaka, fandrosoana ho an'ny mponina. Ireo fanamby ireo dia hametraka an'i Madagasikara ho firenena filamatra aty amin'ny ranomasimbe Indianina ary anisan`ireo firenena mandroso indrindra aty Afrika tsy ho ela. Azo atao tsara ny fanatanterahana an`ireo, hoy izy raha ampitahaina amin'ny harena eto amintsika, izay tokony hotrandrahana, indrindra ho an'ny fiarahamonina manodidina an`ireo toerana trandrahina. Ny iray amin'ireo fandaharan'asa ireo dia manala ny fahazoan-dalana rehetra ary manangana indray fifanekena vaovao, ka ny fanjakana, indrindra fa ny governemanta, no tompon`ny petra-bola eo amin`ny 50%. Midika izany fa ny harena ankibon'ny tany dia hanana tombony amin'ny 50% amin'ireo tetikasa hatokan`ireo mponina fa tsy 1 ka hatramin'ny 2% raha ny amin'izao fotoana. Io paikady io, hoy ity mpahay toekarena, dia mampihena ny kolikoly eo amin'ireo mpitrandraka harena ankibon'ny tany, ary mampiroborobo ny mangarahara amin'ny fitrandrahana ny loharanon-karena, indrindra ny fanohanana ny fampandrosoana an'i Madagasikara. Ankoatra ny famerenana ny fifanarahana momba ny harena ankibon'ny tany, mikasa ny hampitombo ny tetibola na ny loharanom-bolam-panjakana amin'ny kaominina rehetra manerana ny Nosy izy. Ny kaominina tokoa mantsy no tena akaiky indrindra ary tokony horaisina ho andraikiny, ho mpitarika, ary antoka amin`ny fampiroboroboana. Ny kandidà Serge Imbeh dia milaza fa hampitombo ho 25% ny tetibola natokana ho an'ireny andrim-panjakana ireny fa tsy 3% amin'izao fotoana. Ny vinam-piarahamonina aminy dia mampiseho fa ny Antoko AFIMA (Antoky ny Fivoaran'ny Malagasy) dia manana an'io toetra io ho an'ny hazakazaka ho filoham-pirenena mba hahatonga an'i Madagasikara ho firenena mendrika sy manana ny maha izy azy. Ireo faniriana ireo ihany koa dia mandrisika antoko politika hafa hanohana azy amin'ity fandaharan'asa ity, toy ny Antoko Marina sy ny PNJ, izay efa manana olom-boafidy an-jatony manerana ny Nosy.

 

 

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT