Politique

Serge Imbeh Tsy anisan`ireo mihemotra


  • Sabotsy 08 Septambra 2018

Manoloana ny fehin-kevitra izay nosoniavin`ireo kandida miisa 9 mitaky ny hanemorana fifidianana ho avy izao tetsy an-tranon’ny Amiraly Didier Ratsiraka etsy Faravohitra,

 

 omaly, dia nilaza ny heviny i Serge Jovial Imbeh, kandidà ho filoham-pirenena. Tsy anisan`ireo kandidà nanasonia an`io fifanarahana io ny tenany, araka ny voalaza eny amin`ny tambajotran-tserasera. Nanambara izy fa matoa milatsaka dia vonona hisedra safidim-bahoaka sady mahafantatra ny datim-pifidianana ary mila ekena. Notsindriany fa mila mivonona hatrany ary tsy tokony hirotsaka izay tsy sahy hisedra safidim-bahoaka. Efa am-bolana maro no nisavorovoro ny fiainam-pirenena. Tsy nifampihaino intsony na ny an-daniny na ny an-kilany, fa samy nampiaka-peo, ary toa very hatrany ny soatoavina malagasy raiketin’ny tenierana sy ny fifanajana. Samy manindraindra ny vahoaka ho soa iombonana. Mila miatrika ny soa iombonany ny Malagasy dia ny fifidianana hotanterahina amin’ny fomba malalaka sy mangarahara, fenitry ny tany demokratika.

Marigny A.

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT