Politique

Seraseran’ny HVM Manaratsy mafy ny vondrona Mapar


  • Zoma 25 Mey 2018

Na onjam-peo na fahitalavitra na gazety an-tsoratra sy izay tambajotra sosialy rehetra hita ho manana fironana miaro ny fitondrana HVM dia samy ahatsapana avokoa fa manenjika fatratra ny filohan’ny tetezamita teo aloha, Andry Rajoelina sy ny ekipany.

 

 Samy nametrahana fitoriana teny anivon’ny fitsarana ihany ny mpikambana Mapar, Hery Rasoamaromaka sy ny depiote TIM, Hanitra Razafimanantsoa. Ekena fa manana ilay antsoina hoe « Immunité parlementaire » ny depiote saingy maninona no ilay mpikambana Mapar irery no nantsoina teny amin’ny toby Ratsimandrava ? Mampahatsiahy ny nisamborana ny depiote, Lanto Rakotomanga indray alina raha nitondra vola 2 baoritra tamin’ny taon-dasa. Toy izany koa ny nanalana ny depiote, Christine Razanamahasoa, tao amin’ny trano fonenany farany teo. Heverina ho tsy tongatonga ho azy anefa ny kakay mafy fototra eo amin’ny HVM sy Mapar fa maro ny antony. Nalaza ho nanery ny minisitry vola sy ny tetibolan’ny tetezamita, Hery Rajaonarimampianina, hamoaka vola isak’izay mihetsika ny filohan’ny HAT, Andry Rajoelina, ary maro ihany koa ireo tsy fifanarahan’ny 2 tonta nokobonin’ny filoha ankehitriny tamin’ny fotoanandrony ka niandrasany kendritohana izay hahalany azy ho filoham-pirenena. Nahatsiaro voatsindrona antsy tan-damosiny amin’izay kosa ny filoha Andry Rajoelina raha tsy notanterahan’ny filoha ankehitriny ny fampiharana ny andininy faha-54 ao amin’ny lalàmpanorenana izay manome fahefana ireo depiote maro an’isa hanendry praiminisitra. Mbola ho sarotra, araka izany, ny hino fa hifanaraka tsy ho ela ireto ankolafin-kery politika 2 ireto.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT