Manoloana ny krizy eto amin`ny firenena dia mbola manamafy hatrany ny fiombonamben`ny mpiasan`ny M2PATE fa mitokona 100% ireo sampandraharaha eo anivon`ity minisitera ity manerana ny Nosy.
Tokony hanova politikam-pitantanana amin`izay ny eto Madagasikara. Tokony hajoro ny governemanta “technocrate”, hoy ny mpitondra teny, Atoa Cyrille Randrimampandry. Izany hoe, mametraka olona teknisianina anivon`ny governemanta mba hamahana izao olana ara-politika andalovan`ny firenena izao. Ho an`ny fananan-tany manokana dia ny fametrahana minisitera manokana misahana ny tany izay hotantanan`ny teknisianina ao anatin`izany sehatra izany ihany no famahana ny olana rehetra sy hisorohana ny gaboraraka sady ho fanatsarana ny fitantanana ny tany eto Madagasikara. Mangataka ihany koa izy ireo ny hanafoanana ny lalàna momba ny ZES. Miendrika fivarotana tanindrazana io lalàna io ary natao hitsinjovana manokana ny tombontsoan`ny mpampiasa vola vahiny, hoy hatrany ny fanazavana. Nohamafisin`i Cyrille Randriamampandry fa ny vahoaka Malagasy no ho very tombontsoa ary tsy mitombina intsony ny teny filamahatra hoe “Fampihavanana ny Malagasy amin`ny taniny.” Marihina fa ireo mpiasan`ireo sampan-draharaha telo toy ny fananan-tany, ny fandrefesan-tany ary ny fanajariana ny tany no miara-mitokona amin`izao fotoana izao. Mpikambana feno ao amin`ny SSM na « Solidarité Syndicale de Madagascar » ny fiombonamben`ny mpiasan`ny M2PATE.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.