Miditra an-tsehatra amin’ny fikaroham-bahaolana momba ny krizin’ny andrim-panjakana eto amintsika ny fianakaviambe iraisam-pirenena, efa nisy ny fanambarana avy amin’ny GIS M ny faran’ny herinandro teo izay miantso ny rehetra mba hankato ilay fanapahan-kevitry ny HCC.
Tokony hisy ihany koa ny fifampiresahana hamoahana vahaolana mivaingana, hoy ny GIS M sy hanamafisana orina ny demokrasia sy ny tany tan-dalàna, fa eo ihany koa ny fametrahana fitoniana ho amin’ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy. Nanamafy an’io ihany koa omaly ny masoivoho Amerikanina miasa eto amintsika, Atoa Robert T Yamate ka nilaza fa ilaina ny fifampiresahana sy fifanakalozan-kevitra hamahana ny disadisa fa izay no miantoka ny fitoniana eto amin’ny firenena sy ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana. Mibaribary tahaka ny tafika andrefan-tanàna eto fa dia mandrisika mafy ny hisian’ny fihaonana eo amin’ny filoham-pirenena sy ny solombavambahoaka ny sehatra iraisam-pirenena, satria izy roa tonta ireo no tsy mifankahazo amin’izao fotoana. Rehefa misy moa ny fihaonana dia tsy maintsy misy ny fifanarahana atao, ary efa mandeha ny tombantombana fa ho teraka aorian’ny fifandaminan’ny filoha Rajaonarimampianina sy ireo parlemantera ny fandrafetana governemanta vaovao ahitana ireo herivelona sy hery politika rehetra eto amin’ny firenena. Ny ankamantatra ao anatin’izany rehetra izany dia ny hoe : rahoviana no hisy ny fihaonana ? Haharitra hafiriana dia ho hita ny marimaritra iraisana ? Moa ve mbola hotazonina ihany ilay datin’ny 31 jolay voatondro hanatanterahana ny fifidianana kaominaly ao anatian’izao savorovoro politika izao ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.