Politique

Sehatra iraisam-pirenena Manohana an’i Hery Rajaonarimampianina


  • Zoma 29 Mey 2015

Manara-maso akaiky ny zava-misy eto Madagasikara ny fianakaviambe iraisam-pirenena ary milaza ny heviny amin’ny alalan’ny GIS M izay nivory teny Ankorondrano ny alarobia lasa teo

 

. Nisy ny fehin-kevitra nivoaka taorian’izay ka nilazan’ny GIS M fa manaja ny fiandrianan’ny firenena malagasy izy ireo sady manohana ireo andrim-panjakana nijoro avy amin’ny fifidianana demokratika. Miantso ny rehetra mba handray andraikitra ihany koa ny GIS M mba hisian’ny fitoniana sy filaminana hahafahana miroso amin’ny fampandrosoana ny firenena ho amin’ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy. Manavao ny fahavononany hanampy an’i Madagasikara amin’ny fanamafisana orina ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna ihany koa ny GIS M. Mazava ny resaka eto fa dia tsy mankasitraka ny fanonganana ny filoham-pirenena kasain’ny solombavambahoaka 121 atao ny fianakaviambe iraisam-pirenena no sady manohana ny filoha Hery Rajaonarimampianina. Izay no dikan’ity fanambarana ity, izay tsy dia atao mahagaga ihany moa satria tsy te hahalala afa-tsy ny fitondrana mijoro ara-dalàna avy amin’ny fifidianana ny sehatra iraisam-pirenena, ary tsy mankasitraka ny endrika fanakorontanana na fanonganam-panjakana amin’ny endriny rehetra, satria tsy maintsy hiteraka savorovoro indray izany.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT