Tsy mahafehy ny andraikitra sy ireo asa miandry azy ireo ny ankamaroan’ny sefo fokontany notendrena nandritra ny fitondrana tetezamita. Sedra ho azy ireo amin’izao vanim-potoanan’ny rivodoza izao ny fitadiavam-bahaolana amin’ny fiakaran’ny rano eny
anivon’ny fiarahamonina. Lasibatra manokana tamin’ny fandalovan’ny «Chedza» teo ohatra ireo faritra iva ao anatin’ny boriborintany voalohany sy fahefatra. Anisan’izany ny fokontany Antohomadinika III G Hangar satria ny 80%-n’ny tanàna no difotry ny rano, araka ny fanazavan’ny filohan’ny fikambanana Zanabahoaka Andriamamonjisoa Rolland Pascal. Ny zava-misy sy hita aloha dia miraviravy tanana ireo tompon’andraiki-panjakana voatendry eny ifotony manoloana ny fahasahiranana sy fahoriam-bahoaka amin’ny fidiran’ny rano ao an-tokantranon’izy ireo. Mba ialàna amin’ny tranga mampalahelo tahaka izao dia tsara raha tanterahana mialoha ny fifidianana kaominaly ny latsa-bato eny anivon’ireo fokontany manerana ny Nosy. Amin’izay mantsy sady miverina ny hasin’ny fitantanana ifotony no afaka misafidy ireo olona heveriny afaka hampandroso ny fokontany honenany ny mponina ao aminy, hoy ny mpitantana ity fikambanana sosialy ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.