Tafiditra ao anatin`ny fotoam-pifidianana ny firenena amin`izao fotoana izao ary maro ny lesoka amin`ny fikarakarana azy.
Ny rafitra rehetra dia miainga avy amin`ny fokontany toy ny fikarakarana lisi-pifidianana, fanisana olona, fametrahana biraom-pifidianana. Ny lalàmpanorenana dia mazava fa tafiditra ao anatin`ny vondrona itsinjaram-pahefana na “collectivités territoriales decentralisees”, ny fokontany, ny kaominina, ny faritra, ny faritany dia mbola mipetraka tsara ao anatin`ny lalàmpanorenan`ny repoblika. Diso ny mpanao politika tsy mitaky izany kanefa efa nametraka ny lalàmpanorenana, ny fitsarana miady amin`ny fanjakana fa tokony ho olom-boafidy no hisahana ny asan`ny sefom-pokontany. Olana apetraky ny sefom-pokontany voatendry izay satria solontenan'ny fanjakana foibe izy ary tsy manana fahalalana feno amin`ilay asa satria arahin`ny lehiben`ny distrika maso ny fanatanterahana ny asany. Midika izany fa ny tamberin’andraikitra ataony dia any amin`ireo olona nanendry azy kanefa raha olona lany hofidiam-bahoaka ny tamberin’andraikitra dia any amin`ny vahoaka ary indrindra manana fe-potoana mazava iasana dia ao anatin`izay izy raha toa ka manaja ny lalàna velona dia tsy azo hozongozonina eo amin`ny toerana misy azy. Noho izany, ny fokontany no vondrom-bahoaka fototra, ny kaominina antanatohatra anivo ary ny faritra no mpanapa-kevitra.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.