Politique

Sefo distrika sy Prefe Homanina hangala-bato ?


  • Talata 31 Jolay 2018

Nantsoin’ny filoha Rajaonarimampianina teny Iavoloha ireo Lehiben’ny distrika, Prefe manerana ny nosy ny faran’ny herinandro teo, ary tsy vao voalohany io.

 Ambara fa ny resaka fanamafisana ny tany tan-dalàna, ny fitantanana mirindra sy mahomby, ny fanajana lalàmpanorenana ary ny ady amin'ny fahantrana no antony. Voizina hatrany ny "Fisandratana 2030", izay tsy fantatra na programam-panjakana na programan’ny filoha amin’ny fifidianana, raha hirotsaka hofidiana izy. Ny mampiahiahy dia sao tetika hanomankomanana sy hametrapetrahana ny resaka fampiasana ireto olom-panjakana ambony ireto hangalaram-bato sy hanararao-pahefana izany amin’ny fifidianana  ? Vao ny 25 jolay teo ny minisiteran’ny atitany no nandefa naoty fampahatsiahivana mikasika ny tsy tokony hitanilan’ny mpiasam-panjakana ambony ara-politika na ny “neutralité de l’Etat”. Tsy tako-nafenina anefa ny resaka antsojay politika nampiasana ireo tompon’andraikitra ireo lehiben’ny distrika, nanaovana antsojay ireo heverina ho mpifanandrina politika amin’ny HVM, indrindra fa talohan’ny naharavan’ny governemanta Mahafaly Solonandrasana Olivier. Ny lehiben’ny faritra izay solontenam-panjakana ihany koa, dia iaraha-mahalala fa efa natao “coach” ho an’ny antoko HVM avokoa. Ampiasaina hisompatra ny kandida hafa aza, toy ny natao an’i Marc Ravalomanana tany Ambatondrazaka ny herinandro teo. Aiza ho aiza amin’izany ilay tsy fitanilan’ny fanjakana ? I Rivo Rakotovao izay handray ny fahefana amin’ny fotoana hialan’i Hery Rajaonarimampianina raha ho kandida aza moa efa nilaza tsy maharesy azy ny hafa fa izy ireo no mpandresy. Hiasa mafy izany ny lehiben’ny distrika sy Prefe ho amin’ny fandresen’ny HVM  ?

Toky R

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT