Efa naneho hevitra momba ny raharaham-pirenena izahay, hoy ny filohan’ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka eto Antananarivo na ny Seces Tana, Sammy Gregoire Ravelonirina, ny 21 septambra teo.
Mbola mitazona ny teniny ny Seces na dia nanambara aza ny filohan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana fa tsy maintsy hirosoana ny fifidianana. Tsy tsara ny manao fifidianana amboletra fa tokony hojerena aloha ny hanatsarana ireo rafitra misy eto amin’ny firenena. Na lafiny ekonomika na sosialy na politika sy izay rehetra misy. Mila fifampidinihana an-databatra boribory ialohavana fampihavanana izany. Manahy korontana ny Seces raha mahita fa mbola fiomanana amin’ny fifidianana aza dia efa be sahady ireo mangalatra fiaingana. Ny sasany milaza fa fihodinana voalohany dia vita. Tsy izay tenin’ny fianakaviambe iraisampirenena sy ireo afaka miala bala sy mitsoaka ny korontana eto no harahana. Tsy ny fianakaviambe iraisampirenena no tokony hibaiko eto fa ireo angaha ho tomponandraikitra raha misy maty eto ? Mila ampihavanina ny samy Malagasy ary mila ampihavanina amin’ny tantara koa, hoy izy. Aleo misoroka raha azo atao. Rehefa tsy maintsy irosoana anefa moa ny fifidianana dia mirary fitoniana izahay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.