Politique

Savorovorom-pifidianana Ahiana hivadika ady an-trano…


  • Alakamisy 15 Novambra 2018

Ambony dia ambony ny risika hisian’ny fifandonana eto amin’ny firenena, ary tena kotrehina ny hisian’ny adim-poko. Hararaotina ny savorovorom-pifidianana havadika ady an-trano. Katsahina ampidirina ao anatin’io mazava ho ireo kandida roa efa nifanandrina tamin’ny taona 2009 ary mitana ny lohalaharana amin’izao fifidianana 2018 izao.

 

 

 Voizina ny hoe iza no manam-bola ? Iza no mahazaka vahoaka any amin’ny sisiny sy ny eto afovoan-tany ? Tonga hatrany amin’ny fivoizana volon-koditra ny resaka. Izay filoha lany eo anefa dia Filohan’ny Malagasy manontolo, saingy misy kandida izay toa efa mandrisika ny mpomba azy tsy hankasitraka valim-pifidianana raha tsy lany eo. Etsy an-daniny, ny CENI efatra taona no efa niomana saingy misy ny karazana lesoka samihafa. Ny fampihavanam-pirenena moa io tsy mety vita io na koa tsy natao mihitsy aza, ka vao mainka mihasarotra ny raharaha. Toa variana amin’ny voka-pifidianana, toy ny hosoka, ny anarana miverin-droa tamin’ny lisi-pifidianana,… isika kanefa ny tsikaritra dia toa efa misoko miadana any ambadika any ny fampisaraham-bazana avo lenta, ka handeha aza ny fanamarinana samihafa ny voka-pifidianana dia tsy horaharahiana intsony fa rehefa tsy lany ny kandida iray, dia handrisika ireo nifidy azy hikomy, ary toa efa mitady ho hita taratra izany. Tany am-piandohana dia nilaza fa mahita tsy fahatomombanana ny vazaha kanefa ny alefaso alefaso no tena novoizina teto. Ahiana hiverina eto ny krizy politika, toy ny tamin’ny 2009, izay niaraha-nahita ny nahazo tombontsoa betsaka tamin’izany. Mahazo tombony hatrany ny vahiny raha vao variana mifandramatra sy malemin’ny krizy eto isika. Na ny kandida mety hampirisihina hanakorontana, na ny korontanina dia mety mety samy ho potika, ary hisy zavatra tsy hampoizina hiseho eo, ka ireo samy manana vahoaka mety hiala maina. Amin’ny fotoana mamparefo ny firenena tahaka ireny rahateo no tena mampirongatra ny fitrandrahana sy ny fanondranana harem-pirenena. Vao tany amin’ny filatsahan-kofidianana dia efa tsikaritra ny fisisihan’ny firenen-dehibe, ary nisy kandida aza nitonona mihitsy fa tohanan’ny firenen-dehibe izatsy na izaroa. Ny tena manahirana ihany koa, dia mety misy kandida ao efa lany vola be sy nampanantena tamin’ny olona namatsy volabe azy, fa ho lany ka tsy maintsy miditra amin’ny fanakorontanana vao tsy izay no miseho.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT