Isan`ny manara-maso akaiky ny fizotran`ny fifidianana ihany koa ny Filankevitry ny fampihavanana Malagasy (CFM) .
Nandritra ny androm-pifidianana dia nisy ny fivoriana tao amin`ny foiben`ny CFM miaraka amin`ny PEV, ECES ary ireo mpikambana ao anatin`ny ny komity iombonana na “Comité paritaire” avy ao amin`ny site Ambatonankanga. Misy toromarika iarahana fa kosa manatanteraka izany ireo mpikambanana ao anatin`ny Andrim-panjakana ity raha toa ka misy ny fitarainana sy tsy fahatomombanana hita mandritra ny fifidianana.Notsindrin`ny filohan`ny CFM, Maka Alphonse, fa arahin`izy ireo akaiky ny tsy fandriampahalemana sy ny korontana izay mety hiseho. Ny mpikambana ao anivon`ny CFM sy ireo ratsan-mangaikany manerana ny nosy dia manaraka akaiky ny fizotry ny fifidianana na ireo olana ara- teknika aza fa kosa hanatanteraka tatitra amin`ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny rehefa misy ny tranga mampiahiahy. Mandefa izany tatitra izany any amin`ny tomponandraikitra mivantana toy ny CENI ka ireto farany no mandray fanapahan-kevitra mifanandrify amin`izany hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.