Tsy nahazoam-baovao ireo minisitra sy solontenan’ny filoham-pirenena tonga tao Toamasina ny talata teo. Nisy ny fivoriana sy fitsidihana ny jirama nataon’izy ireo nahitana ny minisitry ny filaminam-bahoaka, ny lehiben’ny zandarimariam-pirenena, ny minisitry ny varotra, ny filoham-pitantanan’ny jirama ary ireo olom-boatendry nofidiana manokana tao Toamasina, nefa tsy nahazoam-baovao mihitsy nandritra izany na niezaka nikaro-baovao aza ny mpanao gazety
Nilamina anefa ny raharaha delestazy, tonga ao Toamasina koa ny GSIS zandary sy ny Saka Maintin’ ny polisy. Raha ny zava-misy dia “resaka serasera” no olana nahatonga ny sakoroka ireny, satria hafa no ambaran’ny minisitra, hafa ny zava-misy ho an’ireo teknisianina misahana ny raharaha herinaratra. Nilamina ny raharaha nanomboka ny alarobia teo, tsy nisy ny sakoroka, tsy nisy firy ihany koa ny delestazy.
Nandamina
Ny alarobia 24 desambra teo dia tonga tao Toamasina koa ny minisitry ny asa vaventy Roland Ratsiraka nanadihady ny raharaha, araka ny fiangavian’ny filoham-pirenena araka ny angom-baovao mari-pototra amin’ny zanaky Toamasina azy. Nandritra izany no mba nahalalan’ny mpanao gazety sy nahitany ny tena zava-misy marina teo anivon’ny jirama, fa resaka olana ara-pitaovana no mahatonga ny delestazy. Raha atambatra dia manodidina ny 19MW eo ny vokatra misy ao amin’ny Jirama izao amin’ny 24WM filan’i Toamasina izany hoe misy tsy fahampiana 05MW ny jirama ankehitriny. Efa misy anefa ireo fitaovana telo hanome herinaratra 1,1MW avy eo am-pametrahana azy, eo koa ireo fitaovana 03 eo anivon’ny Enelec miisa 03 manana tanjaka 04MW avy saingy afaka roa volana vao ho vita ny fametrahana azy. Ankoatra izany, dia manana fitaovana 3 mila fanamboarana ny jirama mba hialana amin’ny olana, ka ny 2 eo anivon’i Toamasina IV manana tanjaka 06MW avy sy iray ao Volobe manana tanjaka 05MW eo ihany koa. Ho fampahalalana izany dia hihaona amin’ny vahoaka ny minisitra Roland Ratsiraka ny sabotsy folakandro izao, hanazava ny tena zava-misy hialana amin’ny sakoroka lava momba ny resaka delestazy izay efa am-pamahana ankehitriny ao Toamasina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.