Tsy mifanaraka amin’ny zava-misy iainana eto Antananarivo Renivohitra intsony ny sata mifehy azy nanomboka tamin’ny fitsanganan’ny Repoblika faha-4, hoy ny solombavambahoakan’i Madagasikara Rajohnson Mamy. Ilaina ny fandrafetana sata vaovao ho an’ny renivohitr’i Madagasikara tena hitondra fampandrosoana ho
an’ireo boriborintany 6 fa tsy hifototra fotsiny amin’ny kajikajy politika fizarazarana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra tahaka ny naroson’ny fitondram-panjakana nolaniana teny anivon’ny Antenimieram-pirenena. Tsy tokony hiasa irery intsony ny minisiteran’ny Atitany amin’ny famolavolana io sata vaovao io. Tsara raha miantso ireo sokajin’olona isan-karazany tahaka ny fiarahamonim-pirenena, ireo mpiasan’ny kaominina, ny solontenan’ny vahoaka ary koa ireo olom-boafidy. Tsy ny fanovana sata na ny lalàna anefa no zava-dehibe fa ny fahavononan’ilay olom-boafidy sy ireo mpiara-miasa aminy hitantanana ny tanàna, hoy ny depioten’ny boriborintany fahatelo.Nanamafy moa omaly ny minisitry ny atitany Solonandrasana Mahafaly fa tsy maintsy hisy ny fanitsiana ny sata manokana hifehy ny tanànan’Antananarivo renivohitra ary atolotra tsy ho ela ny parlemanta izany.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.