Mila mahandry tantana ireo kandida ben’ny tanŕna eto Antananarivo. Tsy afaka mametraka ny taratasy filatsahan-kofidiana ireo kandida ho ben’ny tanŕna ao amin’ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra, Nosy be ary Sainte Marie raha tsy mahazo
fankatoavana eny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ireo lalàna mamaritra ny sata manokan’ireo tanàna telo ireo. Tsiahivina fa anio maraina no hodinihina eny amin’ny Antenimieram-pirenena ny sata manokana ho an’Antananarivo raha efa natomboka omaly ny an’i Nosy Be sy Ste Marie. Ho henjikenjika noho izany ny fandaniana ireo sata ireo satria ny fe potoana fandrotsahana ny taratasy ho filatsahan-kofidiana dia noferana amin’ny 25 martsa ka hatramin’ny 23 aprily 2015. Mahakasika ny saram-pirotsahana dia efa nanambara ny komity nasionaly momba ny fifidianana ( Cenit ) miaraka amin’ny minisiteran’ny atitany sy ny minisiteran’ny Fitantanam-bola fa tsy maintsy mandoa io saram-pilatsahan-kofidiana io avokoa ny kandida rehetra, eny fa na dia ireo efa nandoa izany tamin’ny taona 2010 aza. Nandritra ny fampiofanana niaraka tamin’ny solontenan’ny antoko sy ireo kandida sasantsasany hilatsaka hofidiana natao omaly dia nanamarika ny Cenit fa mbola hisy lalàna hamaritra ihany ny fanonerana ireny vola naloa tamin’ny taona 2010 ireny ihany any aoriana.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.